samedi 28 mai 2016

NY FIHAVIAN' NY TENY HOE "MADAGASIKARA" SY "MALAGASY"




1) AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA" :

Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin' ny Fenisiana nalefan' ny Mpanjaka Solomona (970-930 talohan'i Jesoa Kristy) taty amin' ny Nosy Madagasikara dia "sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity.

Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina an'i Madagasikara izy ireo dia nanotany hoe "Io ve ilay tany miendrika sarina trondro be izay misy ny valim-pitia sy ny valin-kasasàrana" ?

Amin' ny teny hebreo izany dia hoe MA ( = Moa) + DAGA ( = Trondro be) + SHAKAR ( = Valim-pitia, Valin-kasasàrana, Karama) izay manazava sy manome ny anarana hoe "MADAGASIKARA" ?



2) IZA NY "MALAGASY" ?

Avy amin' ny teny hebreo taloha 100% ny teny hoe MALAGASY ary midika hoe "Mpiantsambo (Heb. MALAH)

izay "namakivaky" ranomasina ka "nandalo dia lasa" amin' ny sisin' ny morontsiraka na "nandalo dia tsy hita fa nanjavona" (Heb. GAS) satria lasa niakatra sy nandeha aty afovoantany izy ireo.

Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara efa tamin' ny andron' ny Mpanjaka Solomona (970-930 talohan'i JK) no atao hoe "MALAH+GAS" na "MALAGASY".


Fihaonambe Iraisam-Pirenena mikasika ny Fihaviana Jiosy eto Madagasikara,
Antananarivo, faha-17 Mey 2016.


Hoy

N.A. Pastora Tolotra RATEFY,
Theolojiana, Mpahay Tantara, nandalina Tenim-pirenena sy Sivilizasion roambinifolo (Malagasy, Sumerian, Akkadian, Assyrian, Babylonian, Hebreo, Grika, Latin, Alemana, Anglisy, Frantsay,...). Mpianatry ny Profesora Ernst-Gunther Bauckmann, Profesora Willi Marksen, Profesora Kurt Aland, ary Malagasy voalohany nanokana Mpitandrina vahiny tao amin' ny Fiangonana Protestanta Alemana.Mpikaroka nandritra ny teolpolo taona mikasika ny Fihavian' ny Malagasy sy ny Fihavian' ny Jiosy eto Madagasikara.