NY JIOSY ETO MADAGASIKARA

jeudi 17 avril 2025

FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2025

  SAMBASAMBA ZANAHARY!

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Tsinam-bolana nyvolana Abib na Nissan (Marsa-Aprily) teNy ANERINERINA Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1260-1300 AD).


Anerinerina Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Talata, Sabotsy 29 Mars 6025.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 21:27 Aucun commentaire:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest

samedi 18 janvier 2025

NY ANDRIANA DIA FADY OSY, KISOA, VOALAVO, ALIKA:


".... Fa FIRENENA MASINA ho an'i YHWH ANDRIAMANITRAO ianao ka VOAFIDINY ho RAKITRA SOA ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.


Aza mihinana izay fahavetavetana..."

(Deotoronomia 14 :2-3).


"...ary ny KISOA koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan' ireny TSY HO FIHINANAREO ary ny fatiny tsy hokasihinareo..." (Deotoronomia 14:8). 


"...Ary mihinana ny henan-KISOA sy ny ZAVA-BETAVETA ary ny VOALAVO; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy YHWH..." (Isaiah 66:17).


"... ny OSY LAHY natao Fanatitra ho an' ny ota..." (2 Tantara 2:23).


"...Aza omena ny ALIKA izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny KISOA ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo..." (Matio 7:6).


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY,  IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo Vohitra Masina,

Taona Alatsinainy, Sabotsy 4 Janoary 2025.



Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 02:34 Aucun commentaire:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest

samedi 3 août 2019

JOBILY FAHA-150 TAONA NY TEMPOLIN' NY MPANJAKA (1869-2019), ROVA ANTANANARIVO

JOBILY FAHA-150 TAONA NY TEMPOLIN' NY MPANJAKA (1869-2019), ROVA ANTANANARIVO:

Ny Tempolin' ny Mpanjaka, ao amin' ny Rova Antananarivo, dia naorin' ny Mpanjaka RANAVALONA II tamin'ny 20 Jolay 1869. Marihina fa ny Mpanjaka RANAVALONA II (1868-1883) no nanao Fanambarana sy nanao Tempoly manamarika mandrakizay fa JESOA KRISTY NO MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO eto Madagasikara. 

Vita soa aman-tsara ny Fotoam-Pivavahana Fanombohana ny Jobily ary notanterahina tamin' ny Sabotsy 20 Jolay 2019 maraina sy Alahady 21 Jolay 2019 maraina. N.A. Pasteur Tolotra RATEFY mpitandrina notendren'i Jesosy Kristy hitondra ny Tempolin'ny Mpanjaka, Tempoly Anatirova, no nitarika ny Fotoana sy nitantara ny Fifandraisan'ny Tempolin'i Jerosalema sy ny Tempoly Anatirova Antananarivo ary ny Anjomara fito izay nasain' Andriamanitra notsofina teto Madagasikara. 

N.A. Pasteur Mamy RAKOTOMALALA no nanatontosa ny Fotoam-Pivavahana sy nitoriteny ny Sabotsy. N.A. Pasteur Rina TELESPHORE no nitarika ny Fotoam-Pivavahana ary ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara, no nitondra ny Tenin'Andriamanitra ny Alahady, araka ny Teny Fikasan'Andriamanitra ho an'i Madagasikara sady Teny Faneva ny Jobily hoe ''...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO...'' (Isaiah 60:1). 

Ny Général de Corps d'Armée Guy RATRIMOARIVONY no nitondra ny Hafatry ny Fianakavian'ny Mpanjaka RANAVALONA II ny Sabotsy, Ny Commissaire de Police Alain RAJASPERA no nitondra izany ny Alahady, ary N.A. Alain RAKOTOMAVO no mpandrindra. 


N.A. Pasteur Josefa ANDRIANAIVORAVELONA moa no Pasteur voalohany tao amin'ny Tempolin'ny Mpanjaka Anatirova, ary nisy Zoky raiamandreny avy amin'ny Taranaka no nitondra ny Tenin'ny fianakaviany. N.A. Mahery ANDRIANAIVORAVELONA, 1er Prix du Concours International de Piano de Paris, no nitendry ny Feonkira '' ENDREY NY HAMAROAN' NY SOA...'' (Hira FFPM 537) noforon'ny razambeny izay mpitandrina voalohany tao amin'ny Tempoly Anatirova. N.A. Mahefa RAMIANDRISOA no nitendry orga tamin'ny Fotoam-pivavahana. Nantsoina manokana sy nikarakara ary tonga maro ny Fianakavian' ny Mpanjaka RANAVALONA II avy ao Ambatomanoina sy ny Fianakavian' ny Pasteur Josefa ANDRIANAIVORAVELONA avy ao Ambohitrombihavana. 

Tonga nanatrika izany koa N.A. Moreno RANDRIA RAKOTOMANGA Sekretera Jeneraly ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara, N.A. Professeur Bienvenu RAMANANA Zokiolona avy amin' Ny ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA, N.A. Parfait RAZAFIMANANTSOA, Filohan' ny Fikambanana ZANADRALAMBO AMIN' ANDRIANJAKA, N.A. Solonavalona ANDRIAMIHAJA, Filohan'ny Terak'ANDRIAMASINAVALONA, N.A. Navalona RANDRIANAIVO Lehiben' ny Teraka RAVOLOLOTSIMITOVIAMINANDRIANDEHIBE, N.A. Jacques ANDRIAMANOHY Zokiolona amin'ny Terak' ANDRIANAMBONINOLONA. Ny Princesse Fenosoa RALANDISON, zafikelin'ny Prince RATSIMAMANGA Lehiben'ny Zanakandriana tamin' ny andron' ny Mpanjaka RANAVALONA III, no nisaotra amin' ny anaran'ny fianakaviany. 

Tonga maro koa ny Solontena avy amin'ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina ary nisy Vavaka manokana ho an' ny Fianakavian' ireo Mpanjaka Merina sy ny Fianakaviany (toa an' ANDRIANERINERINA, RALAMBO, ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA, ANDRIANJAKA, ANDRIAMASINAVALONA, ANDRIANAMPOINIMERINA, RADAMA, RANAVALONA I, RASOHERINA, RANAVALONA II, RANAVALONA III) sy Vavaka ho Fanarenana ireo Lapa toa an' i BESAKANA, MANJAKAMIADANA, TRANOVOLA, MANAMPISOA ho hataon' ny fianakaviana ary manaraka ny soatoavina andriana napetrak'ireo razambe Mpanjaka sy araka ny Sitrapon'Andriamanitra.

 N.A. Pasteur Tolotra RATEFY sy ireo mpitandrina nanotrona azy no nanao ny Tsodrano araka ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Bokin' ny FANISANA 6:24-26. Ary ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA avy amin'ny LAHIMATOAN' IMERINA no nankasitraka sy nankatelina ny mpikarakara rehetra sy ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ary ireo tonga nanatrika rehetra amin' ny anaran' ny Komity Foibe sy ny Komitin' ny Jobily. 

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo, vohitra masina, vohitr'andriana, faha-21 Jolay 2019.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 15:26 Aucun commentaire:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest

samedi 29 avril 2017

NY TAOM-BAOVAO ARA-BAIBOLY NA TAOMBAOVAO MALAGASY DIA MANOMBOKA NY VOLANA ABIB (MARSA-APRILY) :


ZANAHARY, ILAY MPAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanambara tamin’i Mosa sy Aarona (c.1446 Taona talohan’i Jesoa Kristy) fa ny Taom-Baovao na ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany amin’ ny taona dia ny VOLANA ABIB na volana Nissan (MARSA-APRILY) : 

"…ITY VOLANA ITY NO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO; ITY NO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy 12:2).


Manaraka izany, ZANAHARY, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Ilay Masin’Israely, Ilay Avo indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanome baiko an’i Mosa sy Aarona mba hamelatra ny Trano Lay na Tabernakely amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany amin’ ny taona faharoa (Eksodosy 40:2). 


Ary tao anatin’ Ilay Trano Lay na Tabernakely no nisy ny «Fiaran’ ny Fanekena» izay nisy ny «Didy Folo», izay nomen’ Ilay Mpahary an’i Mosa, tao amin’ny Tendrombohitra Sinai, ho an’ny Zanak’Israely sy ny firenena rehetra.


Taty aorina, ireo Jiosy sy Israelita antsoina hoe "Malagasy" (Heb. Malah-Gas) dia tonga tao amin’ ny "Nosy Abrahama" (na Nosy Boraha na Nosy Sainte-Marie) sy tao amin’ ny “Tanibe” na Nosy "Madagasikara" (Heb. Ma-Daga-Shakar), efa tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Davida (c.1000-970 Taona tal. J.K.) sy ny Mpanjaka Solomona (c.970-930 tal. J.K), ary taorian’ ny andro Faha-Gola tany Babylona (c.587-538 tal. J.K). Ary izy ireo dia nankalaza an’Ilay Mpahary hatrany, tamin’ny Taom-Baovao Jiosy na Taom-Baovao Malagasy, izay Fankalazana efa nisy nandritra ny 3000 taona mahery.


ZANAHARY, Ilay Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitr’ Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Iray Masin’Israely, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanao Fanekena Mandrakizay tamin’ ny Zanak’Israely hoe:

«…IANAREO HO OLOKO ARY IZAHO NO ANDRIAMANITRAREO… » (Eksodosy 6 :7), 

ary izy ireo dia nantsoiny manokana ho "FANJAKA-PISORONA SY FIRENENA MASINA HO AHY IANAREO …" (Eksodosy 19:6).


Noho izany, ny Fankalazana an’Ilay Mpahary amin’ ny Taom-Baovao ara-Baiboly Jiosy na Taom-Baovao Malagasy dia manomboka hatrany ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany na volana Abib (Marsa-Aprily).


Dia ho an’ i ZANAHARY, MPAMORONA nyy LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Ambohidrabiby, Hasin'Imerina, Madagasikara.


Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara..

Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 03:59 Aucun commentaire:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest

samedi 28 mai 2016

NY FIHAVIAN' NY TENY HOE "MADAGASIKARA" SY "MALAGASY"



1) AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA" :

Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin' ny Fenisiana nalefan' ny Mpanjaka Solomona (970-930 talohan'i Jesoa Kristy) taty amin' ny Nosy Madagasikara dia "sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity.

Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina an'i Madagasikara izy ireo dia nanotany hoe "Io ve ilay tany miendrika sarina trondro be izay misy ny valim-pitia sy ny valin-kasasàrana" ?

Amin' ny teny hebreo izany dia hoe MA ( = Moa) + DAGA ( = Trondro be) + SHAKAR ( = Valim-pitia, Valin-kasasàrana, Karama) izay manazava sy manome ny anarana hoe "MADAGASIKARA" ?



2) IZA NY "MALAGASY" ?

Avy amin' ny teny hebreo taloha 100% ny teny hoe MALAGASY ary midika hoe "Mpiantsambo (Heb. MALAH)

izay "namakivaky" ranomasina ka "nandalo dia lasa" amin' ny sisin' ny morontsiraka na "nandalo dia tsy hita fa nanjavona" (Heb. GAS) satria lasa niakatra sy nandeha aty afovoantany izy ireo.

Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara efa tamin' ny andron' ny Mpanjaka Solomona (970-930 Taona talohan'i JK) no atao hoe "MALAH+GAS" na "MALAGASY".


Fihaonambe Iraisam-Pirenena mikasika ny Fihaviana Jiosy eto Madagasikara,


N.A. Pasitera Tolotra RATEFY,
Honorary President of the Royal Academy of Sciences of Madagascar,
Grand Cross of the National Order of Madagascar. 

Antananarivo, Vohitra Masina,
Taona Alahady, 17 Mey 2016.




Fanamarihana : 
N.A. Pastora Tolotra RATEFY,  teraka tamin' ny taona 1950, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, 

Zokiolona, Mpiandry Tobilehibe Ankaramalaza (1977), dia Manampahaizana, Manampahalalana, Vato namelan-kafatra amin' ny Tantara miafin' i Madagasikara,

 ary Theolojiana, Mpahay Tantara, nandalina Tenim-pirenena sy Sivilizasion mihoatra ny roambinifolo (Malagasy, Sumerian, Akkadian, Assyrian, Babylonian, Hebreo, Grika, Latin, Alemana, Anglisy, Frantsay Malayo-Polynesian,...) tao amin'ny Wilhelm Westphalishe Universität, Munster, Deutschland, sy teto Madagasikara.

 Mpianatry ny Profesora Ernst-Gunther Bauckmann, Profesora Willi Marksen, Profesora Kurt Aland tany Deutschland, izay anisany sangany avy erantany, 

ary Malagasy voalohany nanokana Mpitandrina vahiny tao amin' ny Fiangonana Protestanta Alemana tany Deutschland.

Mpikaroka nandritra ny telopolo taona mahery mikasika ny Fihavian' ny Malagasy sy ny Fihavian' ny Jiosy eto Madagasikara ary nanao Fikarohana mitondra ny Lohateny hoe "Sind die Madagassischen Juden ?", Munster, Deutschland, 600 pejy.

Ankoatra izay dia nandalina mikasika ny Reflexothérapie tany Deutschland izy ary nitsabo aretina sarotra maro (AVC, Infarctus, Sida, Paralysie, Hydrocéphalie, Covid, ...).


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


(C) Tsy azo adika na alain-tahaka, raha tsy mahazo alalana.
Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 04:10 Aucun commentaire:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest

vendredi 2 novembre 2012

NY JIOSY ETO MADAGASIKARA :


Ny zavatra lazaina eto ankehitriny - izay ampahany amin' ny vokatry ny fikarohana nandritry ny telopolo taona - dia tiana ny manamarika fa miditra lalina sy mikasika ny Fototra izay mbola tsy noresahina firy hatramin'izao, dia ny hoe: 

. Avy aiza ny teny hoe "Madagasikara"? 
 . Ary iza ny "Malagasy"?
 . Maninona no "Teny" iray ihany no tenenina eto Madagasikara? 
. Maninona no "Sakafo fototra" iray ihany no hanina eto Madagasikara?

. Inona no atao hoe "Fahagolantany"? 
. Ary nahoana ny Razamben'ny Malagasy no atao hoe "Gola" izay fanalahidy famohana ny Tantaran'ny firenena? 
. Ary avy aiza ny Fiavian'ny Andriana Merina ?



I-TAON-JOBILY:

Taon-jobily fanafahana isaky ny 50 taona. Ary faha-40 taona ny jobily fanafahana ny taona 2000 (50 x 40 = 2000 taona). Ampahafantarina amintsika ankehitriny mazava ny zava-miafina amin'ny Tantaran'ity firenena ity:

Tantaran'i Madagasikara sy ny Malagasy vokatry ny fikarohana, nataon'ny Malagasy fa tsy vahiny. Marihina etoana fa famintinana izany fikarohana misy 1.000 pejy mahery izany no holazaina manaraka eto.

Solomona, Mpanjaka jiosy,  nanjaka Taona 970-931 talohan'i Jesoa Kristy, izay feno fahendrena sy fahaizana, noho ny fahalalany fa Ofira eto Madagasikara, dia nandefa sambo maro taty haka volamena sy vatosoa ary hazomanitra sy tsara (II Tantara 9 :10-11) hanaovana ny lapan'Andriana sy Tempolin' Andriamanitra, YHWH, tao Jerosalema. 

Efa arivo taona latsaka kely talohan'i J.K. (1.000 BC) no nahatongavan'ny Jiosy teto Madagasikara, izany hoe 3000 taona lasa izay !!!



II-AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA"? :

 
Madagasikara (Teny Malagasy) = Ma + Dag + Shakar (Teny Hebreo):

 Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin'ny Fenisiana nalefan'ny Mpanjaka Salomona taty dia endrika "Sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity.

 Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina ny Nosy izy ireo dia nanontany tena hoe "Io ve ilay tany miendrika sarina trondro be sy ny valim-pitia, na valin-kasasarana"?

Amin'ny Teny Hebreo izany dia hoe: Ma (= Moa) + Daga (= Trondro be) + Shakar (= Valim-pitia, valin-kasasarana, karama), izay manazava sy manome ny hoe "Madagasikara". 



. IZA NY "MALAGASY"? 

Malagasy (Teny Malagasy) = Malakh + Gaz (Teny Hebreo):

Avy amin'ny Teny Hebreo taloha ny teny hoe "Malagasy" ary midika ho "Mpiantsambo" (Hb. = Malakh) izay "mamakivaky" ranomasina na "nandalo dia lasa" amin'ny sisin'ny morontsiraka na "mandalo dia tsy hita nanjavona" (Hb. =Gaz) satria lasa niakatra sy nipetraka taty afovoany izy ireo. 

Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara no atao hoe "Malagasy".



III-MANINONA NO TENY IRAY IHANY NO TENENINA ETO MADAGASIKARA? :

Iaraha-mahalala fa afaka mifankahazo resaka daholo ny mponina eto Madagasikara ary teny iray ihany no tenenina eto na dia misy aza ny fahasamihafana kely isam-paritra. 

Ny teny fototra eto Madagasikara dia avy amin'ny Teny Hebreo sy Aramean ary Akkadian taloha. 

Ohatra amin'izany ny efa voalaza teo dia: 

. "Madagasikara", "Malagasy".

. Ireto misy ohatra hafa amin'izany, ny teny fototra aloha no lazaina mialoha, dia lazaina manaraka azy ny dikany amin'ny teny malagasy:

Al-ahad (Heb) = Alahady (Mlg)
Al-tsenaim (Heb) = Alatsinainy (Mlg)
Telat (Aramean) = Talata (Mlg)
Al-robia (Heb) = Alarobia (Mlg)
Al-kamis (Heb) = Alakamisy (Mlg)
Yomat (Heb) = Zoma (Mlg)
Sabat (Heb) = Sabotsy (Mlg) 

Beshaken (Hb) = Besakana (Mlg)
Asa (Heb) = Asa (Mlg)
Boul (Heb) = Voly (Mlg)
Kabar (Heb) = Kabary (Mlg)
Jadon (Heb) = Jadona (Mlg)
Adan (Heb) = Mi-adana (Mlg)
Shoua (Heb) = Soa (Mlg). 

. Ohatra vitsivitsy amin'ny niavian' ny Teny Malagasy ireo voalaza ireo, fa raha isaina izy rehetra dia an-jatony maro. 

Isaky ny mijery ao anatin'ny Baiboly Hebreo taloha ianao dia mahita teny niavian'ny Teny Malagasy.



IV- MANINONA NO "SAKAFO FOTOTRA" IRAY IHANY NO HANIN'NY MALAGASY? :

Na aiza na aiza eto Madagasikara dia "Vary" no foto-tsakafon'ny Malagasy. Ny Jiosy taloha dia nihinana varim-bazaha karazany roa, dia ny "Vary tritika" sy ny "Vary ordea". 

Ny teny hoe Varim-bazaha" (blé) anefa dia "Bar" na Var" no anarany amin'ny Teny Hebreo taloha. Noho izany, naverin'ny Malagasy ny anaran'ny foto-tsakafon'ny Jiosy taloha nony tonga teto Madagasikara izy ireo.



V- INONA NY "ZAVA-MANENO" MAMPIAVAKA NY MALAGASY? :

Ny "Valiha" no zava-maneno voalohany sy mampiavaka ny Malagasy ary iraisan'ny ankamaroan'ny foko malagasy na dia misy endriny isan-karazany aza eran'i Madagasikara.

 Ary misongadina sy malaza amin'izany ny "Valiha tory folo".

 Ny zava-maneno izay notendren' ny Jiosy araka ny Baiboly hebreo taloha dia ny Valiha, indrindra ny "Valiha tory folo" (Salamo 33 : 2 ; Salamo 144 : 9).

 Raha jerena ny zava-maneno notendren'i Davida Mpanjaka dia "Nevel" ny fototeny, ary "Nevalin" no anarany. Ny "Valiha" malagasy izany no "Nevalim" amin'ny Jiosy taloha.

Na ny Teny Jiosy na ny Teny Malagasy mikasika ny "Valiha tory folo" dia samy efa nisy, na dia mbola tsy tongan' ny fivavahana kristiana teto Madagasikara.

 Ny teny hoe "Nevalim" teo amin' ny Jiosy dia efa 3000 taona no nisiany raha kely indrindra, ary io no anisan'ny zava-maneno fototra teo amin'izy ireo, indrindra ny "Nevali tory folo".



VI- INONA NO ATAO HOE "FAHAGOLANTANY" ARY NAHOANA NY RAZAMBE NO ATAO HOE "GOLA"? :

Teo amin'ny voambolana malagasy dia nampiasa ny teny hoe "Fahagolantany" ny Malagasy ilazana ny tamin'ny Tanin'ny Gola". 

Misy ifandraisany amin'ny Teny Hebreo taloha 'Golah" ve ny teny hoe "Gola" amin'ny Teny Malagasy ?

 Raha misy, ny Razamben'ny Malagasy "Gola" dia tsy inona fa ireo Jiosy "babo" tany Babylona (teo amin'ny 577 - 539 taona talohan' J.K.) nantsoina amin'ny anarana hoe "Golah". 

Koa raha marina fa "Golah" ny razamben'ny Malagasy dia tsy maintsy hita amin'ireo Boky roa izay mirakitra ny anaran' ireo Taranaka niverina avy tany amin'ny Fahababoana, dia ny Bokin'i Ezra sy Nehemia. Ezra 2 : 37 sy Nehemia 7 : 40 no ahitana ny taranak'Imer, izay manazava foko roa eto Madagasikara, dia :

. Ny Voalohany, ny foko Imer nanome anaran-tany hoe "Imerina" sy nahatonga ny foko "Merina", Jiosy avy any Indonezia.

. Ny faharoa dia ny foko An-te-Imor (= Vahoaka Imor), Jiosy avy any Arabia - Afrika, nanome ny "Antemoro".



VII- ARY AVY AIZA NY FIAVIAN'NY "ANDRIANA MERINA"? :

Io teny "Golah" io no manazava fa ny Taranaka lehibe indrindra lasa tany am-pahababoana tany Babylona tamin'ny andron'i Nebokadnezara dia ny taranak'i "JODA", izay "Taranaka Andriana" teo amin'ny Jiosy. Nandeha sambo izy ireo sy ny mpanara-dia azy, ka tonga teto Madagasikara.

Nisy ny niditra teo amin'ny seranan'i Shet (Hb = Maroz-Shet) na Maroantsetra amin'ny Teny Malagasy, avy eo vao tonga teto amin'ny Faritr'Antananarivo sy ny manodidina. Ireo "Taranaka Andriana jiosy" ireo no nahatonga ny "Andriana Merina".

Ohatra amin'izy ireo, ary anisan' ny lehibe indrindra dia Andrianampoinimerina: "Imboasalama" no anarany taloha, izay Teny Hebreo taloha midika hoe Im (= miaraka) + Beu (= anatiny) + Shalaim (= fiadanana) na "miaraka ao anatin'ny fiadanana", izay nipetraka tao Besakana (Hb. Besakan = ao anaty trano fitoerana).

Ary rehefa tonga teto izy ireo dia namerina ny anarana (olona, tany, rano, toerana,...) sy ny fomba amam-panao (fahaterahana, fitaizana,, famorana, fanambadiana, fiainana an-davanandro, fety, fahafatesana,...) ary ny fomba fitondram-panjakana tany Israely dia "ny Andriana no manjaka sy mitondra ny tany sy ny fanjakana".



FAMARANANA:

Arak'izany tantara izany, dia tsy taranaka voahozona akory ny Malagasy fa taranaka voafidin'Andriamanitra. 

Ary ny ANDRIANA MERINA dia Taranaka Mpanjaka Jiosy, TARANAK' i JODA, niaraka tamin'ny TARANAKA LEVITA MPISORONA izay nanao ny Fisoronana tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema. Tsy mahagaga raha feno toeram-pisoronana teto am-povoantany.


Antananarivo no tanàna naorina ahatsiarovana an'i Jerosalema, ka nahatonga azy nodidinina tendrombohitra roa ambinifolo tahaka an'i Jerosalema, ary mifono zavatra lalina ny Vohitra Masina roa ambiny folo, isan'ny Zanak'Israely.

 Marihina eto am-pamaranana fa samy ahitana ireo Foko Roa ambiny folo ireo eto Madagasikara ary tokony samy mandray andraikitra eo amin'ny toerana nametrahan'Andriamanitra azy ara-tantara ny tsirairay mba hisian'ny Fitahiana eo amin'ny Firenena.


N.A. Pasitera Tolotra RATEFY,
Honorary President of the Royal Academy of Sciences of Madagascar,
Grand Cross of the National Order of Madagascar.

Antananarivo, Vohitra Masina,
Taona Alakamisy, Volana Mey 2000.



Fanamarihana : 

Ny Andriana Pasitera Tolotra RATEFY, teraka tamin' ny Taona 1950, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra sy Ny Andriamasinavalona, Zokiolona, Mpiandry Tobilehibe Ankaramalaza (1977), 

dia Manampahaizana, Manampahalalana, Vato namelan-kafatra eo amin'ny Tantaram-pirenena, nandalina Theolojia, Tantara sy Sivilizasiona ary Tenim-pirenena mihoatra ny roambinifolo (Malagasy, Sumerian, Akkadian, Assyrian, Babylonian, Aramean, Hebreo, Grika, Latina, Anglisy, Alemana, Frantsay, Malayo-Polynesian) tao amin'ny Wilhelm Westphalishe Universität, Münster, Deutschland, sy teto Madagasikara, 

ary nandalina mikasika ny Fitsaboana Reflexotherapy tany Deutschland, ary nitsabo aretina sarotra maro (Avc, Infarctus, Sida, Covid, Hydrocéphalie, Paralysie, Cancer, ...).

. Nanao fikarohana am-polo taona maro ary namoaka Boky mitondra ny Lohateny hoe "Sind die Madagassischen Jüden?" (600 pejy) izay midika hoe: "Jiosy ve ny Malagasy"?

. Lahatsoratra navoakany tao amin'ny Boky "Topi-maso Firaketana Tantara", Fianakaviamben'ny Andriana Merina, Antananarivo, 2000.


(c) Tsy azo hadika na halain-tahaka, raha tsy mahazo alàlana.

Publié par FANJAKAN' I MADAGASIKARA à 02:15 5 commentaires:
Envoyer par e-mailBlogThis!Partager sur XPartager sur FacebookPartager sur Pinterest
Accueil
Inscription à : Articles (Atom)

Lapa Manjakamiadana

Lapa Manjakamiadana






Archives du blog

  • ▼  2025 (2)
    • ▼  avril (1)
      • FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2025
    • ►  janvier (1)
  • ►  2019 (1)
    • ►  août (1)
  • ►  2017 (1)
    • ►  avril (1)
  • ►  2016 (1)
    • ►  mai (1)
  • ►  2012 (1)
    • ►  novembre (1)

Qui êtes-vous ?

Ma photo
FANJAKAN' I MADAGASIKARA
Afficher mon profil complet
Thème Simple. Fourni par Blogger.