ZANAHARY, ILAY MPAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, Andriamanitr’Abrahama
sy Isaka ary Jakoba, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanambara tamin’i Mosa
sy Aarona (c.1446 Taona talohan’i Jesoa Kristy) fa ny Taom-Baovao na ny andro
voalohany amin’ ny volana voalohany amin’ ny taona dia ny VOLANA ABIB na volana
Nissan (MARSA-APRILY) :
"…ITY VOLANA ITY NO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO; ITY NO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy
12:2).
Manaraka izany, ZANAHARY, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany,
Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Ilay Masin’Israely, Ilay Avo
indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanome baiko an’i Mosa sy Aarona mba hamelatra ny
Trano Lay na Tabernakely amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany
amin’ ny taona faharoa (Eksodosy 40:2).
Ary tao anatin’ Ilay Trano Lay na
Tabernakely no nisy ny «Fiaran’ ny Fanekena» izay nisy ny «Didy Folo», izay
nomen’ Ilay Mpahary an’i Mosa, tao amin’ny Tendrombohitra Sinai, ho an’ny
Zanak’Israely sy ny firenena rehetra.
Taty aorina, ireo Jiosy sy
Israelita antsoina hoe "Malagasy" (Heb. Malah-Gas) dia tonga tao
amin’ ny "Nosy Abrahama" (na Nosy Boraha na Nosy Sainte-Marie) sy tao
amin’ ny “Tanibe” na Nosy "Madagasikara" (Heb. Ma-Daga-Shakar), efa
tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Davida (c.1000-970 Taona tal. J.K.) sy ny Mpanjaka
Solomona (c.970-930 tal. J.K), ary taorian’ ny andro Faha-Gola tany Babylona
(c.587-538 tal. J.K). Ary izy ireo dia nankalaza an’Ilay Mpahary hatrany,
tamin’ny Taom-Baovao Jiosy na Taom-Baovao Malagasy, izay Fankalazana efa nisy
nandritra ny 3000 taona mahery.
ZANAHARY, Ilay Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitr’ Abrahama sy Isaka
ary Jakoba, Iray Masin’Israely, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanao
Fanekena Mandrakizay tamin’ ny Zanak’Israely hoe:
«…IANAREO HO OLOKO ARY IZAHO NO ANDRIAMANITRAREO… » (Eksodosy 6 :7),
ary izy ireo dia nantsoiny manokana ho
"FANJAKA-PISORONA SY FIRENENA MASINA HO AHY IANAREO …" (Eksodosy 19:6).
Noho izany, ny Fankalazana an’Ilay Mpahary amin’ ny Taom-Baovao ara-Baiboly
Jiosy na Taom-Baovao Malagasy dia manomboka hatrany ny andro voalohany amin’ ny
volana voalohany na volana Abib (Marsa-Aprily).
Dia ho an’ i ZANAHARY, MPAMORONA nyy LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Ambohidrabiby, Hasin'Imerina, Madagasikara.
Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara..
Manaraka izany, ZANAHARY, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Ilay Masin’Israely, Ilay Avo indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanome baiko an’i Mosa sy Aarona mba hamelatra ny Trano Lay na Tabernakely amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany amin’ ny taona faharoa (Eksodosy 40:2).
Taty aorina, ireo Jiosy sy Israelita antsoina hoe "Malagasy" (Heb. Malah-Gas) dia tonga tao amin’ ny "Nosy Abrahama" (na Nosy Boraha na Nosy Sainte-Marie) sy tao amin’ ny “Tanibe” na Nosy "Madagasikara" (Heb. Ma-Daga-Shakar), efa tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Davida (c.1000-970 Taona tal. J.K.) sy ny Mpanjaka Solomona (c.970-930 tal. J.K), ary taorian’ ny andro Faha-Gola tany Babylona (c.587-538 tal. J.K). Ary izy ireo dia nankalaza an’Ilay Mpahary hatrany, tamin’ny Taom-Baovao Jiosy na Taom-Baovao Malagasy, izay Fankalazana efa nisy nandritra ny 3000 taona mahery.
ZANAHARY, Ilay Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitr’ Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Iray Masin’Israely, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, dia nanao Fanekena Mandrakizay tamin’ ny Zanak’Israely hoe:
Noho izany, ny Fankalazana an’Ilay Mpahary amin’ ny Taom-Baovao ara-Baiboly Jiosy na Taom-Baovao Malagasy dia manomboka hatrany ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany na volana Abib (Marsa-Aprily).
Dia ho an’ i ZANAHARY, MPAMORONA nyy LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Ambohidrabiby, Hasin'Imerina, Madagasikara.
Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,